September 23, 2009

UN-Climate Change Round Table: Do I Smell Plagiarism?

Zavatra hafahafa tsikaritra tamin'ny fandalovana teto amin'ny Firenena Mikambana eto New York, dia mba tiana ho zaraina amin'ny be sy ny maro e! Raha nihaino ny laha-teny nataon'i Andry Rajoelina nandritry ny adi-hevitra momba ny Fiovan'ny Toetrandro ny tena, dia somary gaga fa hoe "izaho ve no manonofy sa tori-teny efa henoko izany" ...


Raha tsy arakao, dia jereo eto ilay laha-teny: http://www.hat.gov.mg/actualite/index.php?shw=intervention na eto: http://madagate.com/a-la-une-de-madagascar/actualite-madagate/1125-video-andry-rajoelina-sadresse-a-lonu.html

[UPDATE: Toa efa nodiovina sy novain'ny tompon-andraikitra ireo rohy roa ireo. Raha mbola liana hijery ny rohy original (cached) ianao, dia clicker-o eto: http://74.125.93.132/search?q=cache:Kxs_E_j-WPoJ:www.madagascar-presidency.gov.mg/actualite/index.php%3Fshw%3Dintervention na koa eto http://74.125.93.132/search?q=cache:Firpr7c6R_AJ:www.madagate.com/a-la-une-de-madagascar/actualite-madagate/1125-video-andry-rajoelina-sadresse-a-lonu.html . Sao mantsy dia misy milaza indray eo fa Rabelazao no mamorona sy manao be lazao.]

Andry Rajoelina, President HAT, Madagascar, Intervention Lors Des Tables Ronde Sur Les Changements Climatiques, 22 Septembre 2009, New York

(Andalana 7-8-9.)
"A l’unisson avec les autres pays en développement, Madagascar voudrait réitérer ici que le principe de la responsabilité commune mais différenciée (Principe 7 de Rio) et celui de l’équité sont les pierres angulaires qui doivent guider la coopération internationale concernant les changements climatiques. Force est de reconnaître que la dégradation de l’environnement, la déperdition des ressources naturelles et le caractère - dorénavant inéluctable – du changement
climatique représentant un frein, voire un obstacle à la réalisation des Objectifs du Millénaire pour le Développement (OMD) et risquent de réduire à néant les tendances positives constatées dans certains pays en développement, étant entendu que la qualité de l’environnement demeure indissociablement un facteur essentiel pour assurer un développement économique et social
harmonieux long terme.

Il s’avère de ce fait urgent d’agir rapidement, efficacement et collectivement. En effet, la lutte contre le changement climatique et la dégradation de l’environnement doit se concevoir dans le cadre international fixé par l’agenda 21, le Plan de Mise en œuvre du Sommet Mondial pour le Développement Durable, la Convention des Nations Unies sur la Lutte contre la désertification, la Convention cadre des Nations Unies sur le Changement Climatique, la Convention sur la diversité biologique et les objectifs du Millénaire pour le Développement (ODM).

Il est surtout nécessaire de tenir compte du fait que les pays en développement sont particulièrement exposés aux menaces que fait peser le changement climatique sur le développement économique et social, dans la mesure où leurs économies sont souvent plus tributaires de ressources environnementales et qu’ils ne disposent pas d’autant de moyens que les pays développés, pour mener des politiques d’adaptation au changement climatique."


Dia gaga fa hay tokoa sombitsombiny avy tamin'ny laha-tenin'olon-kafa efa nandeha teto New York roa taona lasa izay ireo andalana telo ireo. Jereo ange eto e:
http://www.gouvernement.lu/salle_presse/discours/autres_membres/2007/09septembre/24asselborn_uno_climat/index.html

Jean Asselborn, Vice-Premier Ministre, Ministre des Affaires Etrangeres et de l'Immigration du Grand Duche de Luxembourg, "L'avenir entre nos mains - Les changements climatiques: un défi à relever pour nos dirigeants". Discours à l'occasion de la réunion de haut niveau de l'ONU consacrée au changement climatique, 24 Septembre 2007, New York

(Andalana 7-8-9).
"La dégradation de l’environnement, la déperdition des ressources naturelles et le caractère - dorénavant inéluctable - du changement climatique représentent un frein, sinon un obstacle à la réalisation des Objectifs du Millénaire pour le Développement et risquent de réduire à néant les tendances positives constatées dans beaucoup de pays en développement. La qualité de l’environnement est également un facteur essentiel pour assurer un développement économique et social harmonieux à long terme.

Il est de ce fait urgent d’agir rapidement et collectivement. En effet, la lutte contre le changement climatique et la dégradation de l’environnement doit se concevoir collectivement dans le cadre international fixé par l’Agenda 21, le Plan de Mise en Œuvre du Sommet Mondial pour le Développement Durable, la Convention des Nations Unies sur la Lutte contre la Désertification, la Convention-cadre des Nations Unies sur le Changement Climatique, la Convention sur la diversité biologique et par les Objectifs du Millénaire pour le Développement.

Il est surtout nécessaire de tenir compte du fait que les pays en développement sont particulièrement exposés aux menaces que fait peser le changement climatique sur le développement économique et social, dans la mesure où leurs économies sont souvent plus dépendantes de ressources environnementales et qu’ils ne disposent pas d’autant de moyens que les pays développés, pour mener des politiques d’adaptation au changement climatique."




Ary ny tena mba nahavariana dia nipetraka tsara teo akaikin'ny Delegasiaonan-dRajoelina ingahy Jean Asselborn (io mitsangana io izy eo amin'ny sary) tamin'ileiry nanao ilay lahateny. Mahazendana e! Araky ny nolazaindrizareo ao amin'ny Madagate: "Pour combien de temps Andry Rajoelina aura-t-il la parole et est-ce qu’il est conscient que le monde entier sera à l’écoute et qu’il n’aura pas droit à l’erreur ? "


September 17, 2008

Rado: Ilay mpiaro ny Teny Malagasy

Amin'izao fahalasanan'i Rado izao, dia indro zaraina aminareo ny lahateny (nalaina tamin'ny Internet) nataony tetsy amin'ny Akademia Malagasy tetsy Tsimbazaza, ny 25 Jona 1994. Toa mbola manankery amin'izao vanim-potoana diavintsika izao ihany ny voalazany efa ho 14 lasa izay.

Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon'ny Vahoaka amin'ny Fampandrosoana

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao. Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra :
"Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin'izao période de décollage économique izao. Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin'izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin'ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n'ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila stratégie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.
Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin'ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.
Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !"
Nangina eran'ny trano. Azontsika an-tsaina avy hatrany fa tsy naharay afa-tsy teny vitsy tamin'ny kabarin'Andriamatoa ireto Tantsaha sakaizany. Ary tsy nahagaga koa raha tsy nanan-kolazaina fa nifampijerijery sy nifampiandriandry fotsiny.

Nisafoaka ilay tovolahy mpandahateny, ka niriatra nanao hoe : "izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony," sady lasa izy nandeha.
Miomehy isika mandre ny tenin'Andriamatoa, anefa, moa tsy ny sarintsika ihany koa ve no nasehony tamin'io fotoana io ? Mety tsy hihomehy koa anefa isika, satria efa zatra fiteny vandambadana toy izany ny sofintsika. Ny fihomehezantsika na tsy fihomehezantsika azy dia zavatra iray, fa ny mampalahelo dia ireto fatiantoka roa nitranga tamin'io fotoana io.
Fatiantoka voalohany : tsy tafita ilay hevitra sy fikasana tsara natolotr'Andriamatoa, satria tsy nisy azon'ny tantsaha sakaizany izay tiany holazaina.
Fatiantoka faharoa : kivy ilay manampahaizana satria noraisiny ho fahalainan-kandroso ny fanginan'ireto tanora, tsy nanan-kolazaina tamin'izay hevitra narosony.
Fa ho hafa noho izany kosa ny zava-niseho raha tahaka izao no nitondrany ny teniny.
"Misaotra anareo, lehiretsy, namaly ny antso nataonay. Isika izao mantsy no fody niara-nitsindroka sy akanga niara-nanjohy, ka tonga amin'ilay hoe : tsindranolahy an-keniheny, ka ny tama-miray ihany no miaraka."
Manana tsirin-kevitra sy vinavina ho enti-mampandroso ity faritra misy antsika ity izahay, satria tsy azo jerem-potsiny ny tany nahabe ary tsy azo atao tazan-davitra ny fanasoavan-tanindrazana. Izao izy izao no fahavoazany, izao izy izao no fahantrany , ka dia hanao tahaka an'Ikaladala eo ambody tenona ve isika, ka sady tsy hanohy ny tapaka no tsy hanentina ny madilana ? Ny adidy koa tsy an'olon-dratsy, ka dia nentinay eto izany hatao loa-bary an-dasy, satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ilàna firaisan-kina izy io ka iantsoana antsika rehetra, satria izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary. Ireny nozaraina tamintsika ireny ny drafitra sy vinavina hotanterahina, ka aoka tsy hifampisorona na hijery arina an-tava. Tsy hoe "tian-kano, tsy tian-kano" koa izy io, fa mahazo milaza ny heviny avy izay manan-kolazaina, fa tsy tongobolo tsy akory isika ka hotampenam-bava. Tsy mety koa, anefa, ny manilika ny adidy amin'olom-bitsy, nefa samy hioty ny vokatra ihany avy eo. Ireny ilay antsoin'ny razana hoe : "sady tsy hitery omby no tsy hihazon-janakomby fa mitady hisodika ny herotra fotsiny", na hanao tahaka ny "angady ka ny zarany mihoso-menaka sady mijoro, nefa ny lelany mihoso-potaka miady amin-tany."
Manana antsika rehetra izao ho reharehany ity tany nahalatsahan'ny tavonintsika ity, ka dia hangetaheta ambony lakana ve, sa ho noana eo am-pototry ny sompitra ?
Koa saino lalina, saino marivo, fa isika izao no velona fanovan'ny maty, ary zanaka mpandova ny anaran-dray, ka tsy avelantsika ity tany ity raha tsy manana izay voninahiny, ary asandratra koa ny vahoakany hahita ny anjara-masoandrony. Sa tsy izay no izy, leiretsy ?
"Izay", hoy ny firedon'ireto sakaizany.
Raha tahaka an'iny, hoy izahay teo, no nitondran'ilay zatovo ny teniny, dia azo inoana fa voaentana tokoa ny mpihaino, satria Teny Malagasy midona any am-pon'ny mpihaino no nenti-nanambara azy. Ny fo mantsy no mahery tosika noho ny saina amintsika malagasy ka manome toetra ilay olona taorin'izay teny nolazaina taminy. Itompoanay teny fantatra izany. Fa ataovy amin'ny teny vahiny ange ny fampiononana mana-manjo, nefa samy malagasy no mifanatrika eo ! Hahita fiononana ve ireo tra-pahoriana ? Atao vy amin'ny teny vahiny hoe ny kabarim-pifidianana, dia mba saino kely izay isam-bato mety ho azonao amin'izany. Fa tsy maintsy ny Teny Malagasy ihany no afaka manentana ny fon'ny vahoaka raha hitory fampandrosoana marina ianao. Midona sy manentana ny fo av y hatrany mantsy ny Teny Malagasy, ka manamboatra ny toe-po.
Diniho kely ireto, azafady, dia hazava aminao ny fahamarinan'izany : "Nafana fo ny fokonolona, ka tafatsangana haingana ny sekoly." Izany no fiteny, fa tsy hoe : "nafana saina" ny fokonolona..." "Niteraka risipo tao amin'ny vahoaka ny kabarin'ilay olomboafidy", fa tsy hoe : "niteraka risitsaina." "Namoifo ny vahoaka fa fitaka avokoa ny toky nomena ...", fa tsy misy amintsika malagasy izany hoe "namoisaina ny vahoaka." "Nahafapo azy ny zavatra reny tany am-pivoriana..." fa tsy hoe "nahafa-tsaina azy ny zavatra reny." "Vao reny ilay vaovao dia nentim-po izy ka lasa ..." fa tsy misy amintsika izany hoe "nentin-tsaina." "Dia mba samy nahazo fahafahampo ny mpihaino rehetra," fa tsy misy ny hoe "nahazo fahafahan-tsaina ny mpihaino." "Nanala ny fony izy raha vao nandre ilay hafatra nalefa taminy. Fa tsy fiteny ny hoe "nanala ny sainy" izy.
Mbola azontsika tohizana ireny sy ny tahaka ireny, fa be dia be. Mazava amintsika àry izao fa ny fo no tanamilina ao anatin'ny olona, ka manentana ary manome azy toetra entiny miatrika toe-javatra iray. Ny enti-manentana ny fo kosa anefa, dia ny Teny ihany.
Koa raha te hanentana ny fon'ny vahoaka amin'ny Fampandrosoana isika dia ny Teny Malagasy ihany no afaka manao izany. Dia teny malagasy madio, tsy safiotra na vandambadana. Teny malagasy feno ohatrohatra amana ohabolana sy hainteny, fa ireny no mamoha varavarana ny fo.

Izany tsy akory tsy midika hoe : foany sy avalony any izay teti-pandrosoana amam-pivoarana novolavolain'ny saina, na fafao avokoa izay rehetra noheverin'ny saina. Fa azo atao tsara kosa ny mampisoka sy mampando Teny Malagasy azy ireny, ka hahatonga ny vahoaka hahatakatra avy hatrany izay lazaina aminy. Na inona na inona mantsy hasoan'ny tetika sy paikan'ny saina, raha tsy voampaly amin'ny Teny Malagasy dia tonga amin'ilay hoe : "langilangy zozoro, mitefoka ihany fa tsy maharary, ary rano an-damosim-borombazaha : mitosaka ihany fa tsy mahakotsa". Ary raha tsy teny malagasy no anentanana ny fon'ny vahaoka, dia "sasara ny olon-ko hariva ny andro hoy ny ntaolo, fa sasa-poana manao saha maina fa tsy ho tompon'ny tany tsy akory".

Rahateo, mbola malagasy tsy mahay teny vahiny, na izay dikan'ny nvoambolana vahiny milaza haitao sy hairaha ny 85 isan-jaton'ny malagasy tian-koentanina eto Madagasikara. Izy ireo, anefa, no kitro ifaharan'ny fampandrosoana, koa raha tsy Teny sy Fiteny azony am-po no itaomana azy dia horaisina ho didy aman-dalàna fotsiny ny toro-lalana omena azy, na sanatria aza, raisiny ho asa an-terivozona mihitsy ny paika rehetra torina aminy, ka sady tsy inoany no ataony fe ataony noho ny tahotra izay mety ho vokany avy eo. Raha tsy hoe, angaha, ho vitan'ny manampahaizana sy ny mpitndra samirery ny fampandrosoana ity tany ity, fa avela ho mpitandamba fotsiny ireo 85 isan-jaton'ny malagasy ireo.

Manan-karen-teny azo itaomana sy anentanana ny vahoaka isika Malagasy. Efa mijoro rahateo ny Foibe momba ny Teny eto amintsika, ka azo anovozana sahady ankehitriny. Saingy asa, na misy mihevitra azy tsy ho ampy, na efa harafesin'ny fahalainan-kitady ny mpivaofy hevitra sasany, ka miaingitra kely manao hoe : "azafady fa holazaiko amin'ny teny vahiny mba hazava amintsika kokoa." Dia mbola mihevi-tena ho Malagasy hahazo ny fon'ny vahoaka ve ny olona tahaka izany ? Ekena fa mety ho lava kokoa ny fanazavana ilay teny vahiny amin'ny Teny Malagasy vao mety ho takatra ny tena dikany. Kanefa mampaninona moa ny mandany fotoana amin'izany raha tena ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana tokoa no katsahina ? Afa-tsy hoe, angaha, matahotra sao tsy mba at aon'ny olona hoe : "tsy mba nahita fianarana raha tsy mampiditra teny vahiny ao amin'ny lahateniny". Dia mizahozaho ery any anatiny any, nefa tsy mankaiza akory ny zavatra lazainy. Ny vahoaka kosa dia manakilasy azy ireny hoe : "Dedadahy tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka famaky dimy no hetsiketsehina."

Tsaroako tsara, fony vao azo ny Fahaleovantena, ka nentanina tamin'ilay fambolem-bary "en ligne" ny Tantsaha sy mpamboly vary. Nahatsikaiky sy nampalahelo anefa, fa noheverin'ny any ambanivohitra ho anaran'olona ity "ligne" ity, ka maro no nilaza hoe : "Aiza ho aiza, tompoko, no misy ity Raline ity, mba hakanay toro-hevitra amin'izay nataony ?" Teo vao nikoropaka ny manampahaizana nitady teny malagasy, ka voatery nitety tanàna sy vohitra, nilaza fa "voly tora-tady" no dikan'io fa tsy izany "Raline" izany. Ho efa nahomby hatrany am-piantombohany anefa ny tetika, raha nogasiana hoe : "Manaova voly tora-tady !"
Misy koa aza sarambaben'olona mitaraina ankehitriny, ka manao hoe : "Nahoana no jeren'ny Fanjakana fotsiny izany "flottement" izany, fa tsy samborina sy gadraina ?" Heveriny ho olon-dratsy na mpigadra nandositra manotsy izany "flottement" mampisondro tra ny vidim-piainana izany. Ihomehezantsika ny fandrenesana ireny ! Kanefa dia izany no izy, rehefa tsy voazava amin'ny Teny Malagasy hatrany am-piandohany izay tena dikany.

Tsotra ihany no hevitra arosonay ho famaranana izao famelabelarana feno zavatra mahatsikaiky, nefa maha velon'eritreritra koa:
1. Aoka ho tsaroana mandrakariva fa ny Teny Malagasy, miantefa any amin'ny fo ihany, no afaka manentana ny vahoaka, na inona na inona tian-kitaomana azy.
2. Aoka hiezaka hahay sy hampiasa Teny Malagasy ny tompon'andraikitra rehetra te-hampandroso ity tanindrazana malalantsika ity, raha tiany hotafita sy hazava amin'ny vahoaka izay soridalana tiany hitarihana azy.
3. Aoka hotohanan'ny Fanjakana, tsy ara-bola ihany, fa raiketina indrindra amin'ny Didy aman-dalana ireo voambolana sy teny nokarohin'ny Tsangananasa sy Mpikaroka nanolo-tena hanabe voho ny Teny Malagasy, mba tsy ho "very maina ohatra ny menaka nahoso -bato" izay ezaka nitsembohan'izy ireny hoenti-mampandroso ny vahoaka sy ny tanindrazana.
Fa hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina, ary miray feo amin'ilay "Dinan'i Afrika momba ny Kolontsaina" hoe : "Tsy misy Teny afa-mampandroso ny tany iray afa-tsy ny tenin-drazany ihany." Nanamafy izany koa ny Lalampanorenantsika ka manambara fa ny "Teny Malagasy no tenim-pirenena".

Fa raha tsy izany tokoa : "Manakodi-by isika, mahandro fanjaitra : voky ihany fa manevitevika" ary "kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny an'ny tena indray no androtsahan-dranomaso."
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy, naharitra nihaino anay.

July 14, 2008

bisou bisou minou minou

Asa ianareo ry ireto, fa raha izaho manokana aloha dia tsy hitako loatra ny maharatsy ny fampiasana ny teny Malagasy ho teny fampianarana any amin'ny sekoly fanabeazana fototra. Hitako ho hevitra tena tsara mihitsy ary izany. Mbola hisy fotoana hiresahintsika an'io misimisy, fa efa miresaka fitazomana (eny fanindrahindrana) ny maha-Malagasy ihany isika, dia inty misy resaka kely ity tsy aritro, ka mba tiako ho zaraina aminao mpamaky io. Taranja iray tsy dia mba voaresaka matetika kanefa mety tsara ho dinihina ihany.

Asa raha efa hitanareo itsy sary etsy ambany itsy (nosokirina tao amin'ny Presidence). Sary nalain'i Voara tamin'ny faran'ny herinandro teo [Jolay 6] tany Mahajanga tamin'ny fametrahana an'i Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor Solo ho Eveka Mpanampy any Jangil. Ny zavatra voalohany tonga tao antsaiko dia hoe tsara izany fa namitrampihavanana ny fitondran-dRavalomanana sy ny Katolika, satria henjakenjana ihany ny fifandraisana taorian'ny fampihatoana ny fandaharana Karajia-n'ny Radio Don Bosco, sy ny fandrohahana an'i Mopera Sylvain Urfer.

Ny zavatra faharoa tonga tao antsaiko dia hoe mba hafahafa koa izany fomba fifampiarahaban'i Son Eminence sy i Son Excellence izany an! Jereo tsara ange fa "intime" (azafady fa tsy hitako ny dikan'io amin'ny teny Malagasy) be ny "body language" an'izy mianaka e! Ny molotry ny Kardinaly Razafindratandra [azafady manonona anarana an] somary mandroso kely, ny Filoha koa etsy andaniny miandry fatratra an'ilay "bise"--moa va tsy toy irony amin'ny sarimihetsika tantaram-pitiavana vazaha irony? Inona moa no maharatsy an'izany, hoy ianao. Tsy misy maharatsy azy mihitsy fa izy ary mba mifankahazo e?

Fa ny mba tsetsatsetsa (fa tsy tsetsitsetsitra akory) kely tsy aritro dia ny momba an'ity resaka oroka, na mamikely, na bise, na bisou, na kiss ity, sy ny anjara toerany eo amin'ny fiarahamonina Malagasy. Lasa raiki-tapisaka eo amin'ny fomba fampiarahabantsika mantsy indraindray ilay mifanoroka (eny fa na samy bandy aza,... comment leitsy?!), kanefa rehefa tena dinihina ny tantara dia tsy mba fomban'ny tena Malagasy loatra izy io. Ary na ny fomba fifanorohana tena Malagasy aza dia hafa mihitsy fa tsy toy ny "bise"-ntsika ankehitsiny. Rehefa mifampiarahaba amin'ny olona zokinjokiny ianao, dia jereo fa hafa mihisty ny azy ny fomba fanorohany. Rehefa miarahaba ny Bebe-nay aho, ohatra, dia somary fihininy kely, dia apetrany eo amin'ny takolako ny orony, dia somary fofoniny ny takolako ... Izany hoe ny orona ny azy no miasa fa tsy ny molotra--avy amin'izay ilay hoe "manoroka". Hitako ho mampiseho fitiavana be ilay mampiasa orona. Ary tsy takolaka-contre-takolaka ihany koa an!

I James Sibree (ilay misionera Bekilaoty malaza iny) dia efa niresaka ny momba an'io tamin'ny 1884. Vakio ange e:

“…. Another point to be here noted is the act which takes the place which kissing occupies among Western people. The kiss seems almost unknown among the Malagasy, except as introduced by Arabs and Europeans, and its place is taken by nose-rubbing or rather of nose-pressing, a custom, as is well known, widely used by uncivilized peoples, and apparently a relic of a very primitive habit of recognising another person by scent or smell. The native word for this is manoroka, a verb derived probably from the root orona, nose (Javanese, irong; Celebes, wrong), (…). The shaking of hands is not a native custom, but is being largely adopted where foreign influence prevails.” James Sibree (1884) “Notes on Relics of the Sign and Gesture Language Among the Malagasy.” The Journal of the Anthropological Institute of Great Britain and Ireland, Vol. 13, (1884), pp. 174-183


Ka mba lasa ny saiko ry reto. Sao dia mba tokony heritreretina ny famerenana ny "oroka" tena Malagasy? Rehefa mifampiarahaba amin'ny havanao ianao rehefa avy eo, ka alaimpanahy te hanoroka, dia mba andramo hoe ilay teknika mampiasa-orona-fa-tsy-molotra? Dia mba tantarao anay eto hoe ahoana ny reaction-ny. Fitazomana ny maha-Malagasy daholo izany an!
Tsara marihina fa resaka "oroka fifampiarahabana" no resahiko eto fa tsy "oroky ny mpifankatia" an! Kanefa mba lasa ihany koa ny saina hoe ny Ntaolo Malagasy ve rehefa nifampisarizoro, sy nirevy ny mpifakatia (tany anaty lobolobo) dia mba nanao "French Kiss"? Na ny "tsaoda" hoy ny tenin-jatovo ankehitriny? Toa tsy dia fomban'ny gasy loatra koa io e? (izany hoe "french kiss" izany ko ...). Mampatsiaro ahy an'ilay kaozin'ilay sipa izay tamin'ilay bandy akama izay hoe "Tsy izay tokony atao no atao, fa ny lelako no ataonao bonbon ...".

February 20, 2007

Sipa mipetraka arY dia tonga atY!

Nandalo teto Madagasikara hono i Cienna MADRID (mpanoratra/mpanao gazety kalaza ao amin'ny The Stranger, gazety any Seattle, WA) vao tsy ela akory izay, dia nifankahita tamin'i Ra-Jeannot, bandy Malagasy manao Maitrise en Geographie eny Ambohitsaina. Fantatrao ihany moa ny bandy gasy fa "mora tia" izay (sentimentique sy romantal e!) ... Dia tonga tokoa ary Ra-Jeannot dia raiki-pitia tamin'ilay Sipa Bekintana rehefa nifanerasera tao amin'ilay "English Club" izy roa.

Nony niverina tany Seattle ilay joba, dia mbola nifanoratra e-mail izy roa ... Dia tantarain'i Ramatoakely MADRID ao amin'ny Slog eto (ary averiko etsy ambany) ny ambangovangon'ireo e-mail ireo.

Izao ve izany ny bandy gasy rehefa mi-frapy sipa? Lazain'ilay Razoky fa voan'ny SIDA indray ny bandy hafa mi-talonne an'ilay bokaka. Asa aloha Razokinibe raha tena tia tokoa na mitsakaraka 'green card' fotsiny fa tsy misy andraso andraso fa tonga dia 'tahotaho-katsaka an-tani-parihy, aiza ho anay i kalabozy ..." ny anazy ... Io mba vakionao ny e-mail.



Friday 17 june 2005

Hello MISS CIENNA!

What are the news come from you? For me, I have many news to tell ,repeat or to say to you reticent to our my BEST FRIEND:I hear the youngsmans who demand your e-mail address,in your english club in the months:March- Avril- May years 2005, they are proud (or pride) persons. Your relationship to them is no problem ,but certainly, I tell and know the information’s life or the reality about them, I tell you : Be careful my best friend, they have a dangerous disease, AIDS, Acquired Immune Deficiency Syndrome.They are mistaken or despise me in front of you to destroy our best relationship. but don’t worry to have a relationship to
me. I’m good health bodily and mentality currently.

Besides, I’m not satisfied about your answer about my letter last week, I reinforce about it. YOU know my staff information; forever BACHELOR; My best wish I LOVE YOU SERIOUSLY MISS CIENNA! I PROPOSE YOU TO COME MY WIFE IF YOU AGREE ABOUT. WE ARRANGE OUR PROGRAM. Christian’s life if you agree it, because you’re good looking, intelligent, you are attracted my heart. We prepare our plan “in the best things in our life."

Finally; carrying on relationship;I wait your answer;I demand you listen WESTLIFE VOLUME TWO and CELINE D’ION VOLUME TWO;michael LEARN PAINT MY LOVE song in your cassette. Sunday: you listen GOSPEL CHORALS. I kiss you! Good luck in your week-end; busy

JEANNOT BACHELOR STUDENT GEOGRAPHIC ANTANANARIVO
-Madagascar

(http://www.thestranger.com/blog/2006/02/a_modern_day_ro_1)

Rehefa tsy namaly elaela hono i Ra-Sipa (tsy nihaino tsara an'ilay Westlife--Vol 2, sy Celine Dion angamba) dia niova tetika indray Ra-Jeannot. Rehefa tsy hanambady ahy ihany indry dia andao hanao business, ka hanondrana CRISTAL ,QUARTZ ROSE any Zamerika no ady eo, ary andefaso vola hanomanana ny fiaraha-miasa, hoy izy mantsy an-dRasipa.

Asa aloha Razokinibe raha tena mbola tia tokoa na mitady hanataka vozongo fotsiny e .... Na mety anjara-birikin'i Ra-Jeannot amin'ny MAP ihany koa io (jereo ny Teny Ifanomezana faha 6 sy Fanamby faha 6 izay tsy inona fa ny fampiroboroboana ny varotra ivelany). Amin'ny volana Jolay 2007 hono no hanomboka ilay bizinesy.

Thrusday 02 february 2006

Hello! MissCIENNA;YOUR Parents:MOTHER,FATHER!

Greeting,CHRISTMASDAY;NEW YEAR 2006! I visit and wish you good health,I am
forever good health bodily and mentality.What are the news come from you?

My news: First,I succeed in my exam ,to get LICENCE, prepare my first MASTER GEOGRAPHIC THEORICALLY;next I remember kindness indeed for MISS CIENNA because I defend or protect her in cause of many youngboys propose to steal her sexuality. Our relationship take place normally, I establish diplomatic about trade of precious stones,name in french: CRISTAL ,QUARTZ ROSE, another kinds of stones precious, YOU know in the next message ,if YOU answer. WE do or make a agreement about it:quality, cost,or trade. Before OUR meeting, I demand your place money and reception stone precious MADAGASCAR towards USA .The PLAN of sale or trade stones precious will begin in the months JULY 2007. I wait YOUR answer.

The AUTHOR:JEANNOT GEOGRAPHIC ST! UDENT ANTANANARIVO 101 MADAGASCAR (http://www.thestranger.com/blog/2006/02/a_modern_day_ro_1)

January 06, 2007

Andininy voalohany, faharoa, ary fahatelo

Tratry ny taona e! Mirary ny soa sy fanambinana rehetra hatrany an!

Nihaino ny kabary nifamaliana tetsy Iavoloha dia lasa saina ny havanareo nihaino ny hiram-pirenena fanokafana ny lanonana. Hatramin'izay nahaizako ny Hiram-pirenena Malagasy (Ry Tanindrazanay Malala o!), dia ny andininy voalohany ihany no hiraina miampy ny fiverenana izay averina indroa. Ary ny "version instrumental" ofisialy moa dia manaraka an'io fenitra io (andininy voalohany miampy ny fiverenana miverina indroa). Tato ho ato anefa dia toa niova izany ka toa tsy maintsy hiraina indray ny andininy telo, ary ny fiverenany dia averina indray mandeha ihany isan'andininy. Mahatonga korontana eo aminay mpitendry orga sy ry zareo mpihira io matetika.

Asa aloha ianareo ry ireto fa hitako ho lava loatra ilay hira rehefa terena hiraina avokoa ny andininy telo. Marina fa andininy telo no nanaovan-dry Pasteur Rahajason sy Norbert Raharisoa azy tamin'ny 1958. Kanefa tsapako somary mitarazoka ilay izy rehefa atao daholo ka zary lefilefy ilay fientanam-po mandram-pahatonga any amin'ny andininy fahatelo. Dila ny hafanam-po rehefa taritina ela loatra ilay vazo ...

Manarak'izany dia vitsy dia vitsy ny olona mahay sy mahatadidy an-kandrina ireo andininy telo ireo, ka zary laza mody mingonongonona fotsiny sisa ny maro rehefa eo amin'ilay hoe "Ka Ilay Nahary 'zao tontolo izao, No fototra ijoroan'ny satanao." Ianao mamaky io, ohatra, sahy milaza ve ianao fa hainao tsianjery hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny andininy telo?

Ka hoy aho hoe, aleo rangahy hijanona amin'ny mahazatra (andininy voalohany miampy ny fiverenana miverina indroa) fa aza asarotina ny zavatra a! Fanao ihany anie ilay mihira andininy iray ao anatin'ny maro e! Ny tsotsoka moa rehefa mihira ny La Marseillaise dia tsy ny andrininy enina no irainy fa ny voalohany fotsiny. Ny bekitana koa rehefa miangaly an'i The Star-Spangled Banner dia ny andininy iray ao anatin'ny efatra ihany no ataony. Toy izany koa ny "Pincez tous vos koras, frappez les balafons" an'ny havantsika sonegaly.

Tsy hoe te haka tahaka be fahatany, na koa hoe kamolahy, fa tena sarotra ilay mitadidy tononkira e! Sosokevitra ihany moa ny ahy iny kanefa raha hoy ianareo ve hoe ...

-------------

Tsetsatsetsa mba tsy aritro fotsiny ity manaraka ity fa amin'ny manaraka aho mitoraka bilao-G mafonjafonja kokoa raha mazoto. Nanintona ny saiko ity sombin'ny kabary nataon-dRavalomanana tetsy Iavoloha anio maraina ity. [eto ianao mi-kiliky raha te hamaky ny kabary manontolo]

"... Ary tsy maintsy hapetratsika ny lalàna sy izay fomba rehetra mba hilazana ireo sasany fa rehefa naterakao ilay ankizy dia tsy maintsy hiantohanao. Misy dia misy ary niresaka tamiko mivantana ireo olona ireo. "Aiza ny dadany". "Lasa any izy". "Firy ny zanakao?". "Valo, enina". Manomboka izao dia samy hihevitra isika, samy hisaina isika mianakavy. Lazaiko ampahibemaso eto fa tsy maintsy hofantarina amin'ny alalan'ny reniny na amin'ny alalan'ny ADN ny rain'io zaza io. Koa, zavatra tsy maintsy hataontsika voalohany indrindra izay, mba ahafahana mitsinjo sy manatsara ny fari-piainana sy ny ankizy. Indrindra indrindra ireo ankizy any amin'ireo faritra tena sahirana dia sahirana. Ary tsy misy afa-miala intsony fa tena hatao lalàna velona eto Madagasikara, hoy aho, aminareo. Koa dia milaza ampahibemaso eto aho ho ren-tany ren-danitra, fa raha nisy tsy nety tany aloha, na nisy ny fomba tsy nety, ahitsio, ovay, fa tsy hamelako mihitsy mandritra ny dimy taona raha tsy hitako io."

Aleoko tsy asiako commentaires mihitsy akoatry ny hoe saika nifanandrify amin'ilay resaka Anna Nicole Smith ilay resaka test ADN-ADN-nareo io ....

December 19, 2006

Resaka sendra heno tetsy amin'ny Metro Havre Caumartin ...

Resaka sendra henoko tao anaty Metro androany maraina. Tanora Malagasy roalahy, mikata sy mihaingo be, andeha hiasa angamba, no sendra nifanena .... Izy mitsam tsy nahita ahy, fa izaho naheno ny resany tsara.

Tsy dia misy votoantony loatra ny resaka fa mba nahaliana ilay fomba firesaka tipika Malagasy ka indro zaraina ...

A- Drray! Ingahilehibe marina! Ahoana patron a!
B- Manaja anao, Sefo o!

A- Aiza indray ary ity “Sefo” ity e? Inona no vaovao any aminareo e?
B- Tsy dia misy fa izao badolahy izao foana e! Any aminareo matanjaka izao no misy vaovao.

A- Aiza koa izay “badolahy” eo! Efa elaela mihitsy ianareo no tsy hita a! Tany amin'ny RNS izao ialahy no hita farany ...
B- Teto ihany fa kely dia tsy hitan’ny olona e!

A- Aza dia mba maneso anay madinika kosa e! Raha ianareo ve no kely, dia mba inona izahay?
B- Ka izany ary no marina, ka atao ahoana? Ianareo indray tsy esoina izany ka.

A- Aiza moa ianareo izao?
B- Miodikodina eto ihany fa mba ho aiza moa e! Nareo angaha mbola ao amin’ny PriceWaterhouseCoopers ihany?

A- Ye, hatramin’izao aloha. Tsy hita fa voatery mitsakaraka e!
B- Aiza indray ity “mitsakaraka” ity e! Efa laibany be io ve dia …., sa?

A- Ianareo izao no tena laibany, fa izahay anie mbola tena vahoaka mitrongo e! Fa aiza tokoa moa ialahy izao e?
B- Eto ihany fa mihodina dia misangodina e! Variana mijery anareo matanjaka e! Nanao ahoana tokoa ilay projet-n'ialahy ho any Dago e? Raikitra, sa ...?

A- Eo indrindra isika izao ....
B- Mba tsarovy ihany ho’a ny kafiboay rehefa lasa minisitra ianareo …

A- Izay indray ialahy! Aleo aloha leitsy hikisaka fa eto aho no miala e! Amin'ny manaraka e!
B- Six ary e! Dia mankalaza e! Dia manaova fety sambatra raha tsy mifankahita e ... Aiza tokoa ny progany amin'ny Reveillon e?

A- Eo indrindra isika izao e .... Mety hijery Din Rotsaka any Rungis ihany angamba ... Ianareo ho aiza? Siora aloha dia mampamangy any amin'i Madama any e!

November 16, 2006

Reconduite a la frontiere?

Asaina mody hono Ranavalona III e. Efa nisy Sarkozy kay tamin'izany.