March 28, 2006

Lahatsoratra NYT: 29 Martsa 1947

Amin'izao fitsingerenan'ny 29 Martsa--daty manantantara izao, dia indro aroso ho anao lahatsoratra anakiroa mampiseho ny fahita sy fitantaran'ny Amerikana iny zava-niseho tany amintsika iny.

Ny Lahatsoratra voalohany dia nosokirina avy tao amin'ny Arisivan'ny New York Times ny faharoan'ny volana Aprily 1947, pejy 3.

Ny lahatsoratra faharoa koa dia nosokirina avy tao amin'ny Arisivan'ny New York Times ny fahadimin'ny volana Aprily 1947, pejy 8. Vakio ny zavatra lazain'i Jules Castelanni (Solombavambahoakan'i Madagasikara): "If the French should leave, it would result in dreadful bloodshed among the local tribes and finally would end in the dominance of the island by some other foreign power. It should not be forgot that the recent discovery of uranium on the island would attract certain powers to take the opportunity of seizing Madagascar." (i.e., raha tsy eto ny Frantsay dia asa izay hitranga)

Sivy amby dimapolo (na dimapolo sivy amby) taona aty aoriana -- mbola eto ihany isika mianankavy -- mbola eo ihany koa ry lerony ... ary ny uranium ve mba ahoana?

4 tsetsatsetsa:

jentilisa said...

Misaotra anao nametraka ireo e! izaho koa saiky hamoaka fa aleo mandamina tsara indray aloha. Raha jerena iza moa no manome vaovao ny amerikana raha ny fahazoako ny resaka eo no jerena?
hita fa tsy nila ny fomba fijerin'ny malagasy mihitsy ry zareo. Sa tsy nahazo resaka aho?

rabelazao said...

jentilisa: marina mihitsy ny anao fa fomba fijerin'izy samy izy ihany io. Ingahy Lansing Warren koa moa dia tsy taiza fa teto Lafrantsa ihany tamin'ireny fotoana ireny.
Dia miandry ny toraka bilao-g-nao momba an'ity raharaha 47 ity indray izany an!

sipakv said...

misaotra anao mizara e !
mahatsikaiky fotsiny fa tsy dia miovy loatra ny arguments lazaina rehefa te hitazona fahefaha.

Anonymous said...

misaotra e!
tena tsy hain'ny gasy ny teny anglisy @ gazety, ny teny frantsay ary somary mbola hifampitadiavana, RAHA ASIANA DIKA MALAGASY na dia tsy ofisialy aza dia tena manampy anay tokoa handalina ny tantaran'iMadagasikara.
Misaotra mialoha razoky a!
hoy Zandrikely.