Nandefa SMS tamin'ny 033.56.01703 ny mpifidy hanoana izay mba reviny. Ka rehefa natao ny totalin'ny SMS voaray dia i Lola hono no Mpanakanton'ny Taona 2005, i Kix (Ambondrona) sy i Bodo no Manga Feo indrindra, Tovo J'hay sy i Mima no mpanakanto SEXY indrindra, i Njakatiana ("Njaka an! Mais il est ou?" dixit Tantely) no Groupe Variete, sy ny sisa sy ny sisa ...
Tsorina aloha fa tsy nahazo vato firy ny akamaroan'ireo mpanakato mba nofinidin-dRabelazao. Ireto ohatra no santionan'ny safidiko: Rija Ramanantoanina (Voix Masculine), Francia (Voix Feminine), Kix (Artiste le plus sexy--rehefa tsy miala satroka) ary Tahiry (Artiste la plus sexy, na i Francia raha nominee ikala. Who is Mima anyway?), Green (Groupe Rock). Fa tsy maninona izany fa izay tian'ny be sy ny maro ihany io e! Samy manana ny tiany.
Fa ny tena nanaitra ahy dia ilay taranja "Spectacle de L'Annee": Che Bel Canto Mahaleo hono no voafidy. Fantatrareo ihany aloha, ary tsorina fa mpiondana ary tena mpandala ny Tarika Mahaleo ny havanareo. Fa ity safidy iray ity kosa tsy laitrako e!
Nijery an' io Fampisehoana Che Bel Canto Mahaleo io aho, ananako ato antrano ilay DVD (Adin'ny Efatra, Hira Dimy amby Efapolo), fa tena tsapako hoe tena tsy zakan-dry Ranabavy isany Bodo, Hanintsoa, sy ry Lalie (cf. ilay hira hoe Tiana ve?) ilay miangaly ny vazon'ny Tarika e! Ohatry ny lasa manirikiry izany ny mijery an'ilay Andriambavilanitra mikezaka mafy manaraka ny revin'i Fafa sy Dama ary Nono. Tena revy samy manana tokoa, ka hoy aho hoe, aleo rangahy tsy afangaro fa ngadona tsy mitovy an! Randrana manendrika ny hafa no tadiavin-dry lerony ampisalorana ny divas/chanteuses de variétés Malagasy.
Hitako hoe Generation hafa mihitsy ry Hanintsoa sy ry Lalie, asa raha mba mpihaino na nankafy ny hiran-dry Bekoto sy ry Dadah ary ny zokilahy Raoul fa ohatry ny tsy nety ilay fampiaraham-peo e! Sa izaho mihitsy no efa tena 'piorista'? Enga anie ka tsy hisy hitonatonana hanao Che Bel Canto Lolo sy ny Tariny na Che Bel Canto Tselonina eo, fa angamba dia marary ery ny foko ....
Ny hira nataon'i Francia ihany no hitako ho nifanaraka tamin'ny Revy Mahaleo. Fa iny indray resaka hafa mihitsy--izy mantsy sady manja be no tsara feo ka tsy maintsy pardonner-vana na mandiso tononkira matetika aza ....
Ireto ny vokatra rdj Mozika 2005 manontolo raha liana ianao e:
- Meilleure voix masculine : Kix (Ambondrona)
- Meilleur groupe Rock : Ambondrona
- Meilleur groupe R’n’b - Rap : Raboussa
- Meilleure voix féminine : Bodo
- Meilleur groupe mafana : Tsiliva
- Meilleur groupe évangélique : Antsa an’i Kristy
- Meilleur groupe variété : Njakatiana
- Le groupe révélation de l’année : Tsiliva
- Meilleur tube mafana : Be zesta de Tsiliva
- Artiste le plus sexy (homme) : Tovo j’hay
- Artiste la plus sexy (femme) : Mima
- Meilleur spectacle de l’année : Che bel Canto (Mahaleo)
- Meilleur tube soft : Voarara de ‘Zay
- Meilleur tube variété : Tora-bato miverina de Voahangy


9 tsetsatsetsa:
Mety hoe tena mpandala an'i Mahaleo ilay ry zareo irery no mihira tokoa ianao. Izaho ksa niezaka ihany ny nankafy. Matoa araka ny hevitro ireo mpihira vavy ireo no nalain-dry zalahy hiara-hihira tamin'ny tamin'io fotoana io dia nekeny izany ny fihirany. I Francia aza anie nisy fotoana tsy tafiditra mihitsy fa i Fafah no nitarika aloha e.
Manaraka izany, hafa tokoa ny tanora ankehitriny e! izy ireo no tena tompon'ny safidy. Dia aza malahelo loatra ny amin'izany e!
Eny ho'a Rajentilisa!
Tsy manenjika anazy efa-bavy mihitsy anie aho e (indrindra moa fa ikala Francia)--izy ary hita fa tsy a l'aise kanefa mba niezaka mafy. Fa i Rabelazao indray dia piorista raha resaka Mahaleo--ka raha vao mifangaroaro ny vazo sasany dia ohatry ny maty hasina.
Possible koa hoe ry Dama sy ny forongony mihitsy no tsy nahay nifidy ny Andriambavilanitra hampiaraham-peo, na tsy nahay nifidy ny hira hiarahana miangaly amin'ireto zanan-kavantsika ireto e!
fahitako azy, efa manomboka mihantitra ry zareo mahaleo. Isaky ny fampisehoana dia mitovy foana ilay hira. anaky firy ny fampisehoana efa nototosainy? tsy azo isaina. nefa raha mamorona hira vaovao ohatrany hafahafa zany. Lasa mitovy ...miala tsiny amin"ilay teny baiko hoe "statut"... amin'ny mpihira gasy vaovao ireny. Izay mamantongan'i zareo manandrana zavatra vaovao toy ny miantso mpihira tanora ohatra.
(tsy mety mihintsy zany teny gasy-ko zany...mahamenatra)
milay ilay tranonkalo 100% gasy.
Tiatooz: Marina fa rehefa manao zavatra vaovao izy dia ohatry ny hafahafa indraindray. Izy miha-antitra, Rabelazao koa miha-antitra. Kanefa misy hirany vaovao tsara ihany an! Ohatra Mofotantely, Velo, Fianarantsoa,...
Hitako ho hafahafa aloha ilay Che Bel Canto, kanefa moa toa iny izany no nofidin'ny mpijery ka toa tian'ny olona ihany izany angamba ilay izy, fa i Rabelazao mihitsy no tsy maharaka revy!
Mba anaovy sarisarin'ny tarika mahaleo moa ry ise amin'ny tranokalan'ise io an! Dia asio dedicace an!
okay ary! anandrana aho raha ohatra ka mety!! fa tato ato aho tsy dia manam-potaona loatra, fa hiezaka ihany aho
Dia manantitra an-dRabelazao koa ny tenako fa tsy ni-tira mihitsy izy 4-bavy niaraka t@ Mahaleo. Ilay vaiavy iraika ihany no tafavoaka (et encore).
Ny fahitako azy dia teo @ lafiny teknikam-pihirana no nampandringa ny tanora.
Salama daholo e!
Izay fa misy fotoana ka mba mitsidika. Ilay che bel canto mahaleo zany dia toy ny 2CV milay be nasiana janty 18 pce manjelatra e! Izay mirevy tunning dia nankafia tokoa na ni-voile matetika aza ny kodiarana (noho ny fahavoazan'ny "roulements" tsy miady). Ary ireo piorista sahal@ drabelazao kosa nikaikona tanteraka. Ary mety ho sahin-dry lerony marina ny anao che bel canto Tselonina. Dia asa, ho lasa austin mini misy motera V-12 angaha(mahafaty)!
any i dragon2mada, hafakely ilay sarisary. Ka ilay janty efatra ampisalorana an'ilay 2cv toa samihafa daholo, ao ny jante large (Bodo), ao ny jante acier chromé (Lalie), jante milay (Francia)... Jante-na Mitsubishi Pajero ve no ampiaingonao 2CV dia mba tiako!
Raha hisy (enga anie ka tsy hisy) izany che bel canto RainiTse izany dia ireto ihany no tokony avela hihira: Fafah, Bebey, Benny, Ifanihy, Levelo, Sammy, Kolibera, Samoela, ary (mazava loatra) ikala Francia. Tsy ho zakan'ny taizan'ny Look DoSol mihitsy mantsy ny hivazo an'ny Ravaomaria sy ny Ravitoto ary ny Izaho moa hendry Dada!
De tsy haiko marina ry zalahy fa za koa de tsy nirevy le Mahaleo mifangaro. Ohatry ny simba mintsy le revy. Ary ny mahagaga ahy de ity: be ny bandy fantatro mirevy mahaleo fa amin'ny ankapobeny de tsy mirevy le ampiana azy efa-bavy. Angamba hoy aho le tanora amin'izao fotoana no tena nokendrena t@' iny che bel canto iny, ary tody izany ny tanjona satria nahazo voalohany izy. Ny "antitra" kosa moa de mandefitra eh...
Post a Comment