July 17, 2006

Marc sy Jean Marc, 2006

Raha liana amin'ny "resaka honohono" sy mpanaraka "siosion-dresaka" toa anay ianareo dia tsy maintsy efa naheno fa "nifampody" i Marc sy Jean Marc rehefa nisinda ilay disadisa kely nisalovalovana ny fiaraha-miasan'izy mirahalahy mianaka. Niverina tamin'ny asany taloha izany ilay tary metisy rainiboto sy gabonE, manambady gasy, tompondakan'ny romborombo fahiny, mpandeha moto menamena, mpiambina ny ain'Izy Filoha.

Efa ho avy rahateo koa moa ny fifidianana ka tsy maintsy atevenina ny fiambenana fa maromaro ihany hono mantsy ny maramara kiranina sy maimbomaimbo ra eto amin'ity Dagodago-nareo ity. Tsy hita fa mbola tsy milamina ny tany e!

Rehefa fifidianana hono, dia izay matanjaka ara-bola sy ara-lojistika ihany no mandresy matetika. Araky ny hevitro (inona anefa moa izay izaho), ny lafiny fiambenana dia marika iray (ankoatra ny style) azo hitarafana ny tanjaka sy herin'izy samy kandidA, na eo amin'ny ara-bola io na ara-lojistika. Ka raha io no refy ampiasaina anaovantsika ny vinavina hoe iza no mety hatanjaka ka handrombaka ny fifidianana amin'ny 3 Desambra, dia hitako fa verezin-dRavalo lavitra be daholo ny mpifaninana azy.

Jereo anie ny sarisary etsy ambany fa ny azy ny garidadekaorony trozona be hoarina amin'ny mpiambina ny mpifaninana aminy akaiky indrindra (eny fa na dia mbola tsy nanambara ampahi-behimaso aza i Herizo Razafimahaleo fa hilatsaka ho fidiana).


Garidadekaoron-dRavalomanana: Manindry sy mamono-lolo.
Stylen-dRavalomanana: Mamaky Baiboly DIEM rehefa vory vahoaka i Mahamasina.



Garidadekaoron-dRazafimahaleo: Mifitsaka sy manao croiser-les-bras.
Stylen-dRazafimahaleo: Mivazo amin'ny Gitara TAKAMINE rehefa vory vahoaka i Mahamasina.


Lesona sy Fehiny: Raha terem-panahy ianao io, na entanin-java-tsy fantatra, ka tapakevitra fa hirotsaka ho fidiana ho Filohan'ny Tany sy ny Fanjakana amin'ny 3 Desambra, dia mba ataovy bokonozatra sy bogosy ny garidadekaoronao, fa aza atao kombihiny kely, satria ry lerony ireny anie no tena hitarafan'ny olona ny tanjakao e! Sady, en plus-in' izay, manintona ny andriambavilanitra mpifidy koa hono ry lerony ireny rehefa bogosy sy ranjananjanana tsara. (tsy tadidinareo angaha ny tantaran'i Jean Marc Koumba tamin'i Marc Ravalomanana nitsidika ireo zanan-kavantsika tany Abilene University any Texas? "Il a du signer 24 autographes")

9 tsetsatsetsa:

Rajiosy said...

ka tsy voatery gardadekaoro anie ilay tary io fa ohatra mpitendry batery vaovao ao amin'ny tarika mahaleo na koa lehiben'ny mazôrety-mpanao-zipety e (asa ry sipakv raha misalotra zipety koa any zamerika any) na mpitazona ny gitaran'i zouzoubz rehefa vita ny rindran-kira e.

ny an'i JM Koumba indray manko dia izy no mamadika ny pejin'ny DIEMn'ny filoha rehefa miova ny andini-tsoratra masina ary toy izany koa amin'ny fihirana prezidansialy any am-piangonana saingy tsy mahazo mihira ny akama fa manao filazan-drainiboto be.

ny ahy rehefa hilatsaka aho dia mpiambina andriambavilanitra 95D no halaiko ! tahaka an'i Kadhafi... samy mba manamboatra revy hoa ny tropy

rabelazao said...

Toa tary fahitako indraindray manao "service d'ordre" rehefa misy fivorian'ny Leader Fanilo ilay razoky io. Ceinture Marron ao amin'ny Dojo an'ny Racousin-nay angamba iledala io raha tsy diso aho.

jentilisa said...

Ela ny ela marina!

Rajiosy said...

ilay bras-croisés-n'ny akama izany no tsy mety : raha ity ka miantsampy hanoroka an"i zouzoube ny popozy kely, nedala mbola variana mamihin-tena ka efa sempotra ny lider max-sumo !

Mirana said...

Anjekaky o! Hay tena bogosy be hoatr'izao tokoa hono ilay Jean Marc! Ny resaka "honohono" henoko tany an-tanana anefa dia hoe noroasin'i Ra8 izy io satria hita tany @ izany jiolahy raindahiny tratra tany tana izany no moto-ny (Jean Marc). Izany jiolahy naka an-keriny an'i dadan'ny Joy-K mpihira izany hono. Muahahaha mampiomehy ahy ilay style an'i Ra8 mamaky baiboly zany ka tena mamono lolo miampy an'i Jean Marc dray dray dray aoka fotsiny e!Fa hono hoa toa hoatran'ny niheny kely (kely fotsiny) izany i Razafimahaleo. Za dia tena kivy mihitsy @ lery ity. Agnay betsileo hoa tokony tsa hanao politika. Ra za lery mibizna ihany...

Anonymous said...

Ela izany ka nitohy ihany ny blaogy!! raha isaina tokoa ny gasy vehivavy no tena betsaka an! ary izahay vehivavy matetika tsy miraharaha sy tsy mandany andro mihaino izay kobaka am-bavan'ny kandidà fa jerijerenay dia izay be sôsy sy bôgôsy ihany no lanianay!

Anonymous said...

Haody ô. Nankaiza ny olon-tety?

lova said...

Misotra any Rabelazao aminy ity "post" nareo ity. :) Namaky azy nizokiko (Randiana) ka tena latsaka ny ranomaso satria nampomehy lotra ilay tantara. :) Tena "matsiro" marina ilay izy!

kolokoloina said...

fa iza no miteny hoe tsy matanjaka io garde de corps ny io ? matoa misy ny mpiambinany dia tsy maintsy be hery fiarovana ary tena matanjaka izy izay !