Resaka sendra henoko tao anaty Metro androany maraina. Tanora Malagasy roalahy, mikata sy mihaingo be, andeha hiasa angamba, no sendra nifanena .... Izy mitsam tsy nahita ahy, fa izaho naheno ny resany tsara.
Tsy dia misy votoantony loatra ny resaka fa mba nahaliana ilay fomba firesaka tipika Malagasy ka indro zaraina ...
A- Drray! Ingahilehibe marina! Ahoana patron a!
B- Manaja anao, Sefo o!
A- Aiza indray ary ity “Sefo” ity e? Inona no vaovao any aminareo e?
B- Tsy dia misy fa izao badolahy izao foana e! Any aminareo matanjaka izao no misy vaovao.
A- Aiza koa izay “badolahy” eo! Efa elaela mihitsy ianareo no tsy hita a! Tany amin'ny RNS izao ialahy no hita farany ...
B- Teto ihany fa kely dia tsy hitan’ny olona e!
A- Aza dia mba maneso anay madinika kosa e! Raha ianareo ve no kely, dia mba inona izahay?
B- Ka izany ary no marina, ka atao ahoana? Ianareo indray tsy esoina izany ka.
A- Aiza moa ianareo izao?
B- Miodikodina eto ihany fa mba ho aiza moa e! Nareo angaha mbola ao amin’ny PriceWaterhouseCoopers ihany?
A- Ye, hatramin’izao aloha. Tsy hita fa voatery mitsakaraka e!
B- Aiza indray ity “mitsakaraka” ity e! Efa laibany be io ve dia …., sa?
A- Ianareo izao no tena laibany, fa izahay anie mbola tena vahoaka mitrongo e! Fa aiza tokoa moa ialahy izao e?
B- Eto ihany fa mihodina dia misangodina e! Variana mijery anareo matanjaka e! Nanao ahoana tokoa ilay projet-n'ialahy ho any Dago e? Raikitra, sa ...?
A- Eo indrindra isika izao ....
B- Mba tsarovy ihany ho’a ny kafiboay rehefa lasa minisitra ianareo …
A- Izay indray ialahy! Aleo aloha leitsy hikisaka fa eto aho no miala e! Amin'ny manaraka e!
B- Six ary e! Dia mankalaza e! Dia manaova fety sambatra raha tsy mifankahita e ... Aiza tokoa ny progany amin'ny Reveillon e?
A- Eo indrindra isika izao e .... Mety hijery Din Rotsaka any Rungis ihany angamba ... Ianareo ho aiza? Siora aloha dia mampamangy any amin'i Madama any e!
4 tsetsatsetsa:
Dia tena hainao ny namelona ny tantara!
Tena izao mihitsy ilay fomba firesaka tipikamA gasy araka ny voalazanao..hihihi
Ny mahavariana sy mahagaga ahy dia iretoa tanora malagasy sy ny fomba firesany. Aty tanindrazanaa : mibadabada fitenim-bahiny, any ivelany any mahatsiaro tanindrazana va miteny malagasy. Amin'izany aloha tena fitenin-jatovo mazava ilay izy e.
Tsy io tantarainao io ihany fa ny ankamaroany no hitako ohatrizany
Tsy haiko aloha fa izaho angaha no mbola tsy tratran'ny naheno an'io resaka io. Ny matetika fandreko dia ilay hoe : "Gasy angaha itony?" na ilay hoe "Mba gasy ihany ka mba miavonavona tahaka an'io" nefa ianao amin'io mbola tsy nikohaka akory :-) Mahafinaritra foana e...
hihihi!! Mankasitraka e! tena firesaka gasy tokoa io!! Mifampatahotra satria (1) na sao lazaina hoe dedaka, (2)na sao dia hofinganin'ilay mifampiresaka amin'ny tena, (3) na sao dia haka tahaka ny nataon'ny tena lery!! Firesak'i Kotofetsy sy i Mahaka angamba ny firesaka gasy!
Post a Comment