September 17, 2008

Rado: Ilay mpiaro ny Teny Malagasy

Amin'izao fahalasanan'i Rado izao, dia indro zaraina aminareo ny lahateny (nalaina tamin'ny Internet) nataony tetsy amin'ny Akademia Malagasy tetsy Tsimbazaza, ny 25 Jona 1994. Toa mbola manankery amin'izao vanim-potoana diavintsika izao ihany ny voalazany efa ho 14 lasa izay.

Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon'ny Vahoaka amin'ny Fampandrosoana

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Tantara kely iray no entinay ho fampidirana izao famelabelarana izao. Hoy ity tovolahy iray avara-pianarana sady tia tanindrazana, raha namory ireo tanora tantsaha sakaizany izy, teny ambanivohitra :
"Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin'izao période de décollage économique izao. Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin'izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin'ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n'ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila stratégie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.
Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin'ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.
Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !"
Nangina eran'ny trano. Azontsika an-tsaina avy hatrany fa tsy naharay afa-tsy teny vitsy tamin'ny kabarin'Andriamatoa ireto Tantsaha sakaizany. Ary tsy nahagaga koa raha tsy nanan-kolazaina fa nifampijerijery sy nifampiandriandry fotsiny.

Nisafoaka ilay tovolahy mpandahateny, ka niriatra nanao hoe : "izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony," sady lasa izy nandeha.
Miomehy isika mandre ny tenin'Andriamatoa, anefa, moa tsy ny sarintsika ihany koa ve no nasehony tamin'io fotoana io ? Mety tsy hihomehy koa anefa isika, satria efa zatra fiteny vandambadana toy izany ny sofintsika. Ny fihomehezantsika na tsy fihomehezantsika azy dia zavatra iray, fa ny mampalahelo dia ireto fatiantoka roa nitranga tamin'io fotoana io.
Fatiantoka voalohany : tsy tafita ilay hevitra sy fikasana tsara natolotr'Andriamatoa, satria tsy nisy azon'ny tantsaha sakaizany izay tiany holazaina.
Fatiantoka faharoa : kivy ilay manampahaizana satria noraisiny ho fahalainan-kandroso ny fanginan'ireto tanora, tsy nanan-kolazaina tamin'izay hevitra narosony.
Fa ho hafa noho izany kosa ny zava-niseho raha tahaka izao no nitondrany ny teniny.
"Misaotra anareo, lehiretsy, namaly ny antso nataonay. Isika izao mantsy no fody niara-nitsindroka sy akanga niara-nanjohy, ka tonga amin'ilay hoe : tsindranolahy an-keniheny, ka ny tama-miray ihany no miaraka."
Manana tsirin-kevitra sy vinavina ho enti-mampandroso ity faritra misy antsika ity izahay, satria tsy azo jerem-potsiny ny tany nahabe ary tsy azo atao tazan-davitra ny fanasoavan-tanindrazana. Izao izy izao no fahavoazany, izao izy izao no fahantrany , ka dia hanao tahaka an'Ikaladala eo ambody tenona ve isika, ka sady tsy hanohy ny tapaka no tsy hanentina ny madilana ? Ny adidy koa tsy an'olon-dratsy, ka dia nentinay eto izany hatao loa-bary an-dasy, satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Ilàna firaisan-kina izy io ka iantsoana antsika rehetra, satria izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary. Ireny nozaraina tamintsika ireny ny drafitra sy vinavina hotanterahina, ka aoka tsy hifampisorona na hijery arina an-tava. Tsy hoe "tian-kano, tsy tian-kano" koa izy io, fa mahazo milaza ny heviny avy izay manan-kolazaina, fa tsy tongobolo tsy akory isika ka hotampenam-bava. Tsy mety koa, anefa, ny manilika ny adidy amin'olom-bitsy, nefa samy hioty ny vokatra ihany avy eo. Ireny ilay antsoin'ny razana hoe : "sady tsy hitery omby no tsy hihazon-janakomby fa mitady hisodika ny herotra fotsiny", na hanao tahaka ny "angady ka ny zarany mihoso-menaka sady mijoro, nefa ny lelany mihoso-potaka miady amin-tany."
Manana antsika rehetra izao ho reharehany ity tany nahalatsahan'ny tavonintsika ity, ka dia hangetaheta ambony lakana ve, sa ho noana eo am-pototry ny sompitra ?
Koa saino lalina, saino marivo, fa isika izao no velona fanovan'ny maty, ary zanaka mpandova ny anaran-dray, ka tsy avelantsika ity tany ity raha tsy manana izay voninahiny, ary asandratra koa ny vahoakany hahita ny anjara-masoandrony. Sa tsy izay no izy, leiretsy ?
"Izay", hoy ny firedon'ireto sakaizany.
Raha tahaka an'iny, hoy izahay teo, no nitondran'ilay zatovo ny teniny, dia azo inoana fa voaentana tokoa ny mpihaino, satria Teny Malagasy midona any am-pon'ny mpihaino no nenti-nanambara azy. Ny fo mantsy no mahery tosika noho ny saina amintsika malagasy ka manome toetra ilay olona taorin'izay teny nolazaina taminy. Itompoanay teny fantatra izany. Fa ataovy amin'ny teny vahiny ange ny fampiononana mana-manjo, nefa samy malagasy no mifanatrika eo ! Hahita fiononana ve ireo tra-pahoriana ? Atao vy amin'ny teny vahiny hoe ny kabarim-pifidianana, dia mba saino kely izay isam-bato mety ho azonao amin'izany. Fa tsy maintsy ny Teny Malagasy ihany no afaka manentana ny fon'ny vahoaka raha hitory fampandrosoana marina ianao. Midona sy manentana ny fo av y hatrany mantsy ny Teny Malagasy, ka manamboatra ny toe-po.
Diniho kely ireto, azafady, dia hazava aminao ny fahamarinan'izany : "Nafana fo ny fokonolona, ka tafatsangana haingana ny sekoly." Izany no fiteny, fa tsy hoe : "nafana saina" ny fokonolona..." "Niteraka risipo tao amin'ny vahoaka ny kabarin'ilay olomboafidy", fa tsy hoe : "niteraka risitsaina." "Namoifo ny vahoaka fa fitaka avokoa ny toky nomena ...", fa tsy misy amintsika malagasy izany hoe "namoisaina ny vahoaka." "Nahafapo azy ny zavatra reny tany am-pivoriana..." fa tsy hoe "nahafa-tsaina azy ny zavatra reny." "Vao reny ilay vaovao dia nentim-po izy ka lasa ..." fa tsy misy amintsika izany hoe "nentin-tsaina." "Dia mba samy nahazo fahafahampo ny mpihaino rehetra," fa tsy misy ny hoe "nahazo fahafahan-tsaina ny mpihaino." "Nanala ny fony izy raha vao nandre ilay hafatra nalefa taminy. Fa tsy fiteny ny hoe "nanala ny sainy" izy.
Mbola azontsika tohizana ireny sy ny tahaka ireny, fa be dia be. Mazava amintsika àry izao fa ny fo no tanamilina ao anatin'ny olona, ka manentana ary manome azy toetra entiny miatrika toe-javatra iray. Ny enti-manentana ny fo kosa anefa, dia ny Teny ihany.
Koa raha te hanentana ny fon'ny vahoaka amin'ny Fampandrosoana isika dia ny Teny Malagasy ihany no afaka manao izany. Dia teny malagasy madio, tsy safiotra na vandambadana. Teny malagasy feno ohatrohatra amana ohabolana sy hainteny, fa ireny no mamoha varavarana ny fo.

Izany tsy akory tsy midika hoe : foany sy avalony any izay teti-pandrosoana amam-pivoarana novolavolain'ny saina, na fafao avokoa izay rehetra noheverin'ny saina. Fa azo atao tsara kosa ny mampisoka sy mampando Teny Malagasy azy ireny, ka hahatonga ny vahoaka hahatakatra avy hatrany izay lazaina aminy. Na inona na inona mantsy hasoan'ny tetika sy paikan'ny saina, raha tsy voampaly amin'ny Teny Malagasy dia tonga amin'ilay hoe : "langilangy zozoro, mitefoka ihany fa tsy maharary, ary rano an-damosim-borombazaha : mitosaka ihany fa tsy mahakotsa". Ary raha tsy teny malagasy no anentanana ny fon'ny vahaoka, dia "sasara ny olon-ko hariva ny andro hoy ny ntaolo, fa sasa-poana manao saha maina fa tsy ho tompon'ny tany tsy akory".

Rahateo, mbola malagasy tsy mahay teny vahiny, na izay dikan'ny nvoambolana vahiny milaza haitao sy hairaha ny 85 isan-jaton'ny malagasy tian-koentanina eto Madagasikara. Izy ireo, anefa, no kitro ifaharan'ny fampandrosoana, koa raha tsy Teny sy Fiteny azony am-po no itaomana azy dia horaisina ho didy aman-dalàna fotsiny ny toro-lalana omena azy, na sanatria aza, raisiny ho asa an-terivozona mihitsy ny paika rehetra torina aminy, ka sady tsy inoany no ataony fe ataony noho ny tahotra izay mety ho vokany avy eo. Raha tsy hoe, angaha, ho vitan'ny manampahaizana sy ny mpitndra samirery ny fampandrosoana ity tany ity, fa avela ho mpitandamba fotsiny ireo 85 isan-jaton'ny malagasy ireo.

Manan-karen-teny azo itaomana sy anentanana ny vahoaka isika Malagasy. Efa mijoro rahateo ny Foibe momba ny Teny eto amintsika, ka azo anovozana sahady ankehitriny. Saingy asa, na misy mihevitra azy tsy ho ampy, na efa harafesin'ny fahalainan-kitady ny mpivaofy hevitra sasany, ka miaingitra kely manao hoe : "azafady fa holazaiko amin'ny teny vahiny mba hazava amintsika kokoa." Dia mbola mihevi-tena ho Malagasy hahazo ny fon'ny vahoaka ve ny olona tahaka izany ? Ekena fa mety ho lava kokoa ny fanazavana ilay teny vahiny amin'ny Teny Malagasy vao mety ho takatra ny tena dikany. Kanefa mampaninona moa ny mandany fotoana amin'izany raha tena ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana tokoa no katsahina ? Afa-tsy hoe, angaha, matahotra sao tsy mba at aon'ny olona hoe : "tsy mba nahita fianarana raha tsy mampiditra teny vahiny ao amin'ny lahateniny". Dia mizahozaho ery any anatiny any, nefa tsy mankaiza akory ny zavatra lazainy. Ny vahoaka kosa dia manakilasy azy ireny hoe : "Dedadahy tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka famaky dimy no hetsiketsehina."

Tsaroako tsara, fony vao azo ny Fahaleovantena, ka nentanina tamin'ilay fambolem-bary "en ligne" ny Tantsaha sy mpamboly vary. Nahatsikaiky sy nampalahelo anefa, fa noheverin'ny any ambanivohitra ho anaran'olona ity "ligne" ity, ka maro no nilaza hoe : "Aiza ho aiza, tompoko, no misy ity Raline ity, mba hakanay toro-hevitra amin'izay nataony ?" Teo vao nikoropaka ny manampahaizana nitady teny malagasy, ka voatery nitety tanàna sy vohitra, nilaza fa "voly tora-tady" no dikan'io fa tsy izany "Raline" izany. Ho efa nahomby hatrany am-piantombohany anefa ny tetika, raha nogasiana hoe : "Manaova voly tora-tady !"
Misy koa aza sarambaben'olona mitaraina ankehitriny, ka manao hoe : "Nahoana no jeren'ny Fanjakana fotsiny izany "flottement" izany, fa tsy samborina sy gadraina ?" Heveriny ho olon-dratsy na mpigadra nandositra manotsy izany "flottement" mampisondro tra ny vidim-piainana izany. Ihomehezantsika ny fandrenesana ireny ! Kanefa dia izany no izy, rehefa tsy voazava amin'ny Teny Malagasy hatrany am-piandohany izay tena dikany.

Tsotra ihany no hevitra arosonay ho famaranana izao famelabelarana feno zavatra mahatsikaiky, nefa maha velon'eritreritra koa:
1. Aoka ho tsaroana mandrakariva fa ny Teny Malagasy, miantefa any amin'ny fo ihany, no afaka manentana ny vahoaka, na inona na inona tian-kitaomana azy.
2. Aoka hiezaka hahay sy hampiasa Teny Malagasy ny tompon'andraikitra rehetra te-hampandroso ity tanindrazana malalantsika ity, raha tiany hotafita sy hazava amin'ny vahoaka izay soridalana tiany hitarihana azy.
3. Aoka hotohanan'ny Fanjakana, tsy ara-bola ihany, fa raiketina indrindra amin'ny Didy aman-dalana ireo voambolana sy teny nokarohin'ny Tsangananasa sy Mpikaroka nanolo-tena hanabe voho ny Teny Malagasy, mba tsy ho "very maina ohatra ny menaka nahoso -bato" izay ezaka nitsembohan'izy ireny hoenti-mampandroso ny vahoaka sy ny tanindrazana.
Fa hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina, ary miray feo amin'ilay "Dinan'i Afrika momba ny Kolontsaina" hoe : "Tsy misy Teny afa-mampandroso ny tany iray afa-tsy ny tenin-drazany ihany." Nanamafy izany koa ny Lalampanorenantsika ka manambara fa ny "Teny Malagasy no tenim-pirenena".

Fa raha tsy izany tokoa : "Manakodi-by isika, mahandro fanjaitra : voky ihany fa manevitevika" ary "kamboty manao vary amin-tsakay, ka ny an'ny tena indray no androtsahan-dranomaso."
Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy, naharitra nihaino anay.

8 tsetsatsetsa:

Anonymous said...

Tsy lany andro ity lahateny indrindra amin'izao fanombohan'ny fanavaozana ny fampianarana izao. Mila fandresen-dahatra ny olona maro. Betsaka loatra ny mihevitra fa ny olona mahay dia mira olona mahay teny vahiny indrindra anie ny teny frantsay. Ezaka tsy maintsy hatao ny mandresy lahatra fa ny teny Malagasy anie afaka hampitana fahalalana tsara. Ireo manampahaizana kosa etsy andaniny tsy hitsatra hikaroka sy hanatevina ny voambolana.

HERY said...

Manao ahoana !
dia tena tsara ity laha-tsoratra ity !
ny tenako tokoa dia miteny toy io tantara io indraindray !

Dia hatao ny ezaka è !
mandra-pitsidika !

MAHEREZA DIA MAZOTOA !

B said...

Milay le blof Rabelazao a.
Ty ny ahy mba asio maso.
http://akohogasy.blogspot.com/

Mr B

Tokinao said...

Arabaina tratry ny taona Belazao a!
Nanindritsindry teto amin'ny aterineto ka 'zay vao nahita ity lahatsoratra ity.
Misaotra mizara fa misy hosainina e!

Manaraka izany : raha tsy mampaninona anao dia adikako feno ao amin'ny blaogiko ity :). Dia mba tiako ho fantatra ny nangalànao azy raha azo atao, sy ny hoe : aiza ho aiza ao amin'ny lahatsoratra no mifarana ilay laha-tenin'ny akademia ? (sa hatramin'ny farany?).

Misaotra indrindra e!
Dia tohizo ny blaogy fa sehatra anaparitahana ny teny malagasy koa itony e :).

rabelazao said...

torak'izany e! tsy olana mihitsy fa adikao dia aparitaho. Tsy ahy io fa "antsika rehetra i Rado". Hitako tamin'ny internet io lahatsoratra io fa asa raha mbola ao. Hatramin'ny farany mihitsy ilay izy ka.
Mazotoa indray dia misaotra betsaka indrindra nandalo an!

Anonymous said...

Gasy ka manja, gasy ka kanto, kanto ka tiako!Misaotra anao Rabelazao a! Dia miandry ny "post" manaraka indray e!

Anonymous said...

Tratry ny taona daholo e!

Misaotra betsaka t@ ny lahatsoratra: anisan'ireo mpankafy an'i Rado aho. Vaovao moa ny taona ka indro zaraiko aminareo ny fahitan'i Rado izany taom-baovao izany

" Taom-baovao

Dia nigadona ny taona
izay nandimby ny taloha
Toa tsy hisy intsony saona
ka dia firariantsoa
miampy dihy sy hafaliana
no manako hatraiza hatraiza...
Ny taratasim-pirariana
ifandefasn'ny sakaiza
dia mivetsovetso soa hiainana amin-kasambarana:
vola, tanjaka sy hery ho an'ny isam-baravarana.

Dia lazaina
sy dradraina ho vaovao izato taona izay miandoha
Anefa, io masoandrony io, tsy ny omaly ihany moa?
Mbola ny omaly ihany
Na ny hita maso izany
Na ny any ambadika any
Na ny volon'ito tany
Na ny zavatra maniry
Na ny trano mankadiry
na ny lalana nizorana sy ny toerana lalovana
mbola ny omaly ihany : tsy niampy, tsy nitovana.

Ny hany mba niova angaha
Rehefa injay ianao mizaha
dia ny datin'andro vao misy ireo tarehi-marika
feno sary tena kanto, mahaliana, mahasarika...
Anefa, na ny isan'andro, na ny volana ao anatiny
dia ny taona lasa ihany no indreo arantirantiny.
Mainka aza miharota
Mainka aza mihatonta
ny tenantsika raha dinihina
toa mikentrona, mifihina...

Ny bikantsika tsara lefy
Injao miamtoboka ho lefy
Ny mihavao? Tsy misy izany
miharota hatrany hatrany
ny fiainana eto an-tany.

Koa raha lazaina ho vaovao
Izato taona diavinao
Vaovao mankaiza moa
ary inona tokoa
no ifaliana
sy hobiana?
Ny maha-vaovao ny taona
Tsy ny hira izay miraona
Tsy ny dihy sy totorebika andoahana maraina
Fa'lay fikasana anaty: ara-po sy ara-tsaina
Hanavao ny tetikasa
Sy ny fomba hoenti-miasa
hanatanterahana azy.

Tapitra eo ny vazivazy
Tapitra eo ny eritreritra
Fa ny fanapahan-kevitra
hisian'ny zavatra mivaingana
vita tsara sady haingana
tamim-panoloran-tena
ka mipetraka, ho tazana
ho fanasoavam-pirenena
eo anivon-tanindrazana
Izay no maha-vaovao izato taona ifaliana
Fa tsy ny fikasana moana mijanona ho firariana.

Raha ny izy izany izao :
Tsy ny taona mihitsy akory no lazaina ho vaovao
F'ilay fihetsikao mitory
ny asa hotanterahinao

Rado (13 janoary 1979)
Zo, takila 107 sy 108"

Raha atao ny famintinana ireo lahatsoratra anankiroa ireo dia halevina tanteraka ny hoe " ny ahy ny "résolution"-ko "pour 2009" dia ny manao "effort" tsy hampi-"mélange" teny gasy sy teny frantsay". Ny fikasako amin'ny taona 2009 dia ny hiteny gasy ranoray". "Fikasana moana" ve? Asa! Mananten'andRabelazao sy SipaKV hamelona ny afo narehitra androany, mba tsy handamoka (fiteny moa izany?) ilay "fikasana anaty". Misaotra fa tena mahaliana ny bilao-G nareo : "the best". Tohizo fa raitra!

Rabelazao said...

Raitra tokoa ilay tononkalo fa misaotra e. Dia samy mba manao effort izany an. Dia mahavitA be amin'ilay fikasana anaty.