Misy sary kely, misy sary goavana be—ilay eo ambony tohatra dia tena mahavariana fa mampahatsiaro irony peta-drindrina dokam-barotra irony. Lasa ve i TIKO, dia misosoka i INJET?
Asa mihitsy na ingahirainy no tena tia mahita ny salovatavany misalotra ny samboady sy ny mari-boninahitry ny filoham-panjakana, na ireo manodidina azy no mba maka-dizi-neofo sy mila ranondranony. Tsetsatsetsa tsy haritra ny ahy fa samy manana ny fomba fampiaingoany ny tranony ny tsirairay, fa enga anie tsy hiakatra loatra any anaty lohan’ilay zanak-kavantsika io ny lokaloka sy ny fanindraindrana samihafa.

0 tsetsatsetsa:
Post a Comment