Tena mba manirikiry ahy ity resaka ity. Araky
ny voka-pikarohana sy fanadihadihana nataon'ny IRD teto Madagasikara dia 45 isan-jaton'ny vehivavy Malagasy no niharan'ny herisetra tao an-tokatranony tamin'ny taona 2007 nanaovana ny fanadihadiana.
Eken'ny fiaraha-monina ve izany zavatra izany? Raha ny tarehimarika navoakan'ny Demographic and Health Surveys (
DHS) dia indrisy fa mbola maro ny vehivavy manaiky izany. Valo isan-jaton'ny vehivavy Malagasy, ohatra, dia mihevitra fa rariny sy hitsiny raha mikapoka azy ny vadiny raha sendra may ny sakafo ao am-bilany? WTF, hoy ny teninjatovo ankehitriny. Efatra amby folo isan-jato dia manaiky fa zon'i Ramose ny midaroka raha toa ka mivaoka ny trano tsy miera i Madama. Ny ampaha-efatr'ireo andriambavilanitra nanontaniana kosa dia mino fa azon'ny andefimandriny atao ny milako azy raha toa ka tsy voakarakarany ny kilonga ... Enina isan-jaton'ny vehivavy kosa no mihevitra fa tsy olana raha mamono ny lehilahy raha tsy mety manao aminy ny vadiny.
Lalina izy ity rey olona fa mba jereo akaiky an! Izao ve ilay revy mampingoso-anabavy? Mba samy natera-behivavy ihany ry akama ...
| Women's attitude toward wife beating | Women's attitude toward refusing sex with husband |
| Husband is justified in hitting or beating his wife | Wife is justified in refusing sex with husband |
| Burns the food | Argues with him | Goes out without telling him | Neglects the children | Refuses to have sex with him | Knows husband has sexually transmitted disease | Knows husband has sex with other women | Has recently given birth | Is tired or not in the mood |
| Madagascar 2003-04 |
| Region |
| 8.1 | 2.8 | 15.6 | 24.6 | 5.7 | 92.7 | 91.4 | 92.2 | 82.9 |
| 6.9 | 3.6 | 14.5 | 25.6 | 6.2 | 78.6 | 78.2 | 88.3 | 79.0 |
| Total |
| 8.3 | 3.3 | 14.4 | 24.9 | 5.5 | 86.7 | 86.8 | 90.2 | 81.1 |
0 tsetsatsetsa:
Post a Comment